Any misy...! (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANY MISY...Eee

Any misy olona,
olo-norinory,
Miandry anao hapiresaka,
F'izy tsy mahita tory.

Any misy fo,
maratra ny tsy tiana,
Mila fitsaboana,
Ao anaty Hakiviana.

Any misy fitiavana,
voagatra atrano-maizina,
tsy nahazo fahafahana,
Fa teraka tany ankaizina.

Any misy maso,
bongondrano-maso,
Mipitran'ny alahelo,
Vokatry ny akaso.

Any misy sofina,
Mitongilana ny hihaino,
Ilay bitsibitsikao,
eny akia mba saino.

Any misy olona,
eny hatramin'izao.
Tia fa tsy tiana,
Tiako ho lazaina anao.

Any misy olona,
tehamboraka fitia,
saingy indrisy toa tsy sahy,
fa matahotra ny ho lavina.

04 avril 2017

Zay LAFATRA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1079 1
Mpakafy: zazahvaria
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : nagaoka
Daty : 03/06/2018 05:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144