Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 02/11/2014 04:44
Nijery : 4690
Tononkalo: 40 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Aina Nirina

AINA NIRINA




Anarana sy fanampiny : ANDRIANARIVELO Rahajanirina Hery na AINA Nirina no solon’anarana entiny amin’ny mahampanoratra azy
Teraka ny 03 jolay 1970 tany Toamasina.

Nanomboka nanoratra ny taona 1984. Ny fankafizana ny tononkalon’i Rado tao ami’ny boky DINITRA famakiny isan’andro tamin’izany fotoana izany no nahatonga azy hanomboka hanoratra. Nanampy izany koa ny fitiavany ny tononkalo tao amin’ny boky TONONKALO NOTSONGAINA 1 sy ny tantara nosoratan’i E.D. ANDRIAMALALA.

Efa namoaka tononkalo an-jatony tao amin’ny pejy fesibokiny AINA NIRINA sy tao amin’ny vetso.serasera.org

Mpianatra tao amin’ny Kolejy Md Josefa Ambatondrazaka tamin’ny Fanabeazana fototra sy ny Ambaratonga voalohany. Tao amin’ny Sekoly Teknika Ambatondrazaka kosa no nanohizany ny Ambaratonga faharoa ka nahazoany ny diplaoma Bakalorea Teknika sampan’asa Trano sy ny Asa Vaventy (BTP).

Tany amin’ny Sekoly Ambonin’ny Politeknika Antananarivo (Vontovorona) no nianarany ka nahatafavoaka azy ho Injenieran’ny trano sy ny asa vaventy (BTP) ary nahazoany ihany koa ny mari-pahaizana ambony fandalinana momba ny Siansan’ny akora (Diplôme d’Etudes Approfondies en Sciences des matériaux). Maro ny fianarana hafa nataony ankoatr’ireo fa ireo no tena nisongadina.

Ankehitriny dia mitantana ny orinasany (madinika) no sady mampianatra i Aina Nirina.

Namoaka ny bokiny voalohany: SOMBIN’I AINA 1 ny fiandohan’ny Febroary 2015 : Boky 106 pejy misy tononkalo 54 sy sombin-tantara voarafitra ho tononkalo misy fizarana dimy (SATRIKO). Io boky io dia efa amidy eny amin’ny mpivaroboky eto Antananarivo.

Nasain’ny Faribolana Sandratra ka nandray anjara tamin’ny antsan-tononkalo ZARA FANAHY tao amin’ny CGM ny Sabotsy 28 martsa 2015 ary nivoaka tao anatin’ny boky ZARA FANAHY ny tononkalony.

Nanao antsan-tononkalo voalohany niaraka tamin’ny poeta sy mpanakanto namany ho fanolorana ny boky SOMBIN’I AINA 1 tao amin’ny IKM (Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy) Antsahavola ny Sabotsy 11 Aprily 2015.
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/aina-nirina
Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145