Nampiditra : hery
Daty : 03/10/2003 00:06
Nijery : 26454
Tononkalo: 26 Jereo eto
Mankafy : 6 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Dox

Teraka tamin'ny 13 janvier 1913 ary nodimandry tamin'ny 12 juin 1978. Anisan'ny fototra niorenan'ny tononkalo malagasy ihany koa.
Miezaka ny manandratra ny sanganasany ny "Terak'i Dox". Ho an'izay te hifandray amin'izy ireo dia ity ny adiresy:
"Ny Terak'i Dox", Lot lll J 41 (2

______________

Jean Verdi Salomon Rakazandraina no tena anarany. Teraka tamin'ny 13 Janoary 1913 tao Manakavaly. Nampianatra tany Antsirabe i Dox, ary tamin'izany no nahafantarany an'i Razanabololona Perle izay tonga vadiny tamin'ny taona 1943. Nipetraka tao Mandoto izy ireo talohan'ny nifindrany tao Antananarivo indray noho ny antony ara-pahasalamana. Taom-paoriana ho an' i Dox ny folo taona nanomboka teo satria maty tamin'ny 1945 ny zanany voalohany. Nodimandry tamin'ny Febroary 1949 ny zanany fahatelo, ary iray volana taorian'io dia nandao koa ny rainy (Marsa 1949). Tamin'ny 1954 kosa no nodimandry i Razanabololona Perle vadiny. Maty tamin'ny 14 Jiona 1978 tao Antananarivo izy, ary milevina ao amin'ny fasan-drazany ao Anjanapara Antsirabe. Tsara ho fantatra fa disoan'ny olona matetika ny fanoratra ny anarany. Razakandraina no tena izy fa tsy Razakandrainy. Ny hevitr'izany anarana izany dia mifototra amin'ny hoe andrandraina, araka ny filazan'i Dox azy
Nalaina tao amin'ny mg.wikipedia.org
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/dox
Hevitra farany
Kiala.andria ( 26/12/2017 17:15)
anisan'ireo mpanoratra tena hankafiziko i Dox ary nampandatsaka ny ranomasolo ny asa-Soratra nataony. mba alefaso eto daholo ny asa-sorany azafady raha azo atao.misaotra tompoko.
#Dafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112