Inséré par : Zohimbato
Date : 11/07/2025 04:32
Visite : 789
Poèmes: 13 Cliquer ici
Fans : 1 Admirer
Insérer un poème

Ny Ala Zohimbato

RAKOTONINDRINA Tsangy Rovaniala, fantatra amin’ny anarana ara-panoratana hoe "Ny Ala Zohimbato", dia mpanoratra, mpikabary, ary chef opérateur média malagasy. Teraka tamin’ny 2 Oktobra 1992 tao Antananarivo izy, ary monina ao Amboditsiry, Antananarivo.

Olona tsotra, be aniany ary tia namana i RAKOTONINDRINA araka ny filazan'ny manodidina sy ny fomba ifandraisany amin’ny mpiara-monina aminy. Nandray anjara tamina hetsika ara-tsosialy sy ara-pivavahana izy nandritra ny fotoana ela, ary maro no mahafantatra azy amin’ny maha-mpanentana sy mpikabary azy.

Nanomboka nianatra kabary izy tamin’ny taona 2010 ary navoaka ho mpikabary tamin’ny taona 2011. Hatramin’izay dia efa nikabary tamina lanonana sy hetsika maro toy ny fampakaram-bady, fety an-dakilasy, fanokafana trano, hetsika ara-panjakana, ary fankalazana ara-kolontsaina. Mahafehy tsara ny fomba fiteny ara-drazana sy ny fomban-drazana amin’ny kabary izy.

Mpanoratra nanokana ny tenany amin’ny fanehoana fomba fisainana sy fitiavan-tanindrazana i RAKOTONINDRINA Tsangy Rovaniala. Namoaka boky roa izy:

Manodidin’ahy – boky mitantara fiainana andavanandro sy fihetseham-po.

Haren-tsaina – boky manasongadina ny lanjan’ny fahendrena, fahaizana mitondra tena, ary fitiavana mamokatra ho an’ny tanora.

Ireo boky ireo dia mikendry indrindra ny fanabeazana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ho an’ny tanora sy ireo mitady aingam-panahy amin’ny fiainana.
Lien: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/ny-ala
Derniers commentaires

Aucun commentaire trouvé.

Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119