Ampidiro aloha ny tenimiafina
Dada ô (anarim)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada, oTsiaro tsy hay tohaina, rivotra mimalo
Mivimbina ny hasinao ry dada no mandalo
K’indramiko izy androany
Handrara ahy tsy hitomany…
Nahoana tokoa moa no hitanondrika ny loha
Raha indro ianao ry dada fa làsana nialoha?
Satria inoako sy antenaiko fa tena mbola hihaona
Any am-parany any, rehefa tonga ny fotoana…
Mandram-pihaona indrindra re ry dada tena tiako
Mbola ho avy ny fotoana, eny, izay no itokiako
Ny tenanao tokoa no indro fa handao
Fa ny aminao rehetra, itoetra anatiko ao…
Zao ora ifandaozana, na mafy sy mangidy
Satria tokoa alahatra fa tsy tompom-pidy
Dia handalo ihany, ary tsy aharitra
Ka hiezaka izahay hitsiky sy ho finaritra
Hitsiky izahay f’izay no hafatrao
Ary tsy adino fa tsaroana izao :
Hoe raha tonga ny fotoana handaozanao ny tany
“Dia FANDRESENA izay, ka aoka tsy hitomany”
Inty ary I Rafara, mijoro na dia vahotra,
Milaza ampahibemaso ary tsy miahotra :
“Tsy ho adinoina velively n’inon’inona mitranga
Ny anaranao ry dada : Pasteur RANDRIAMANGA!
Any andro, any ora, hotsaroana hatrany ianao
Eny re, mandava-taona dia hitoetra anatiko ao
Ny anaranao ry dada sy ny momba anao rehetra
Tsy ho adino velively : ilay fitia tsy manam-petra
Ka ny SITRANY ho tò na tena mafy sy mangidy
Dia ononina ny fo satria tokoa izao no didy,
Koa mandria am-piadanana re ry dada tena tiako
Manantena mbola hihaona rehefa tapitra ny diako…
❤️
10 octobre 1933 - 13 octobre 2024
--------
Lien:
Catégorie :
Fahatsiarovana
