Ampidiro aloha ny tenimiafina
FITIAVAN'I DADA (ANDRIAMASIMANANA Andry)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa betsaka ny teny,Voalaza ombieny, ombieny,
Fa tsy misy mahalaza,
Ny fitiavanao ry dada..
Tokana fa tsy mba roa,
Azoko anankinan-doha
Nikarakara sy nitaiza
Nitantana hatraiza hatraiza
Fitiavanao, tsy manam-petra
Ny anatrao no nitoetra,
Tena nahakolokolo
Isaorako tokoa ianao, amin’ny foko manontolo
--------
Lien:
Catégorie :
Fianakaviana - Fitiavana
Fans:
hjravs - andry 1000
Commentaires
zoana15
(
20/05/2015 07:03)
mankasitraka ranadahy!
hjravs
(
18/06/2015 03:50)
Mahatsiaro ny Dadako aho 'zany, mankatelina e!
