OMBY SY RALAY (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-----------------------------------------
aza mitaraina ry le boriky ity,
f'androany vao maraina,
betsaka ny vilona, nohanin'ialahy,
ka aza kely aina, fa ny asa atao,
-----------------------------------------
ny vilona ekeko, fa nihinana aho,
fa ny betsaka dia laviko,
satria, tsy nahavoky,
no sady efa ratsy, mahatofoka sy lao,
-----------------------------------------
izany ve ?
no mba valin-tenin'ilay boriky ity,
rasaiko sy amidiko ialahy,
ary anio hariva, tsy omeko intsony,
na dia mololo iray, handriana sy hatoriana,
-----------------------------------------
ianao angaha moa, afaka mihaino,
ny jaly sy taraina e,
fa na ny hafanana, sy orana tsy misy,
aza anie, dia mamono anay mihintsy e!
-----------------------------------------
inon-ko izay izany, fa ny ahy, ny asa vita,
no entiko hitsarana, fa aza mody gisa,
mody miala pà, sy mihoalahoala hoe:
mamely ny hafanana, izaho ngah sananà,
-----------------------------------------
marina ny anao,
fa ny vodihazo, sy satroka ahibano,
no eo an-dohanao, raha mamely ny masoandro,
-----------------------------------------
hahaha!!! ilay 'ty dia mampihomehy,
fa dia mamaly foana, na voky io na noana,
ho rasaiko ialahy, amidiko eny an-tsena,
avadiko ho vola, aleo ho lasa hena!!!
-----------------------------------------
hehehe!!! aleo koa, za hihomehy,
f'ity vao tena loza,
raha izao hono, no avadika kitoza
izaho izay mahia, tsisy mankafy,
antitra sy tola, tsy voatakalo vola,
-----------------------------------------
MMMHHHH... aleo aloha dinihina,
fa misy fahamarinany,
ny zavatra ambaran'ilay boriky ity,
fa raha tazanin-davitra, toa kely sy mahia,
-----------------------------------------
MMMHHHH... io fa lasa saina, eny ingahy RALAY
aleo hitapy eo, fa miseho milay,
miseho ho avo vava, miteniteny foana,
tsy mahalala mihitsy, ity omby noana ity,
-----------------------------------------
tapaka ny hevitro, fa tsy vonoiko ialahy,
fa hitako hoe misaina, sy sahisahy,
k'andao isika hinamana, sy hifanolo-tanana,
fa ny olona sy omby, rariny sy hitsiny,
raha toa ka hifamonjy,
-----------------------------------------
misaotra ingahy RALAY a, f'ianao dia milay,
ny androko rehetra, asiako fepetra,
fa hiasa tsara, tsy hitaredretra,
-----------------------------------------
misaotra ry lemara a, fa mitohy ny tantara,
ny alina hatory, ialahy tsy ho ory,
fa fandria-mafana, sy lamba bodofotsy,
no omena an'ialahy, ho solony rafotsy,
-----------------------------------------
TSSIIIIAAAA.....
ny hany angatahiko, sy hany teny farany,
ataovy be ny kaliko, sy ny vilona hohaniko,
ary i kala mainty, miangavy re raha mety,
aleo tsy hiasa intsony, fa iny be ronono,
-----------------------------------------
sao dia mbola misy, zavatra iray tadiavin'ialahy,
fa ho tanterahiko, mba tsy ilazana hoe:
RALAHY miseho milay,
ka teneno mialoha re, ry andriamatoa,
------------------------------------------
mmmmmhhhhh!!! aza mba japiana, sy karavasiana,
fa tolory tanana, izahay fa namana,
fa raha toa izahay mijaly, dia ho tonga ny mosary,
arovy ihany koa, raha sendra fahavalo,
dia fongory mihintsy, ka miraisa hina,
vonoy ireo dahalo, raha sendra mba mandalo.
-----------------------------------------------
ANDRIAMASIMANANA ANDRY
--------
Rohy:
1443 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142