AMBATOFOTSY AMBOHIBORONA (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tazanina aty avy lavitra, tomorona toa manakaikyreo vohitra mitomandavana, nahatonga ty foko taraiky!
Fa tany niavian'ireo razana, tanana zay nandrotsirotsy
Reo vohitra maro karazana, manambatra an'Ambatofotsy
Fa maro reo toerana tsara, voafefin'ireo tanimbary
Fa faritra manatantara, tomoeran'ireo zava-boaary
tontolo voaravaka maitso, sy ria-drenirano eny Imorona
lay maharavoravo ny saiko, mampiavaka an'Ambohiborona
fa izao no lazaiko aminao...
Tsy hoe manadino tsy akory, fa misy fotoana itadiavana
Raha lavitra anao mampahory, fa mahatsiarotsiaro ireo havana
Ho avy fa tsy hampiandry ela, hanambatra iray zany lalana
Reo zanaka miely isam-paritra, hanampy sy hanolo-tanana
AORN
04 MARTSA 2025
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana
Fans:
rina15
