AMBATOFOTSY AMBOHIBORONA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tazanina toa lavidavitra, antonina miha-manakaiky
toa vohitra mitomandavana, mahatonga ny foko ho taraiky
Fa tany niavian'ireo razana, tanana zay nandrotsirotsy
Reo vohitra maro karazana, manambatra an'Ambatofotsy

Fa maro reo toerana tsara, voafefin'ireo tanimbary
Fa faritra manatantara, tomoeran'ireo zava-boaary
tontolo voaravaka maitso, sy ria-drenirano eny Imorona
lay maharavoravo ny saiko, mampiavaka an'Ambohiborona

Tsy hoe manadino tsy akory, fa misy fotoana itadiavana
Raha lavitra anao mampahory, fa mahatsiarotsiaro ireo havana
Ho avy fa tsy hampiandry ela, hanambatra iray zany lalana
Reo zanaka miely isam-paritra, hanampy ka hanolo-tanana


AORN
04 MARTSA 2025
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
72 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 16/04/2026 06:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0134