Fandrosoana (Bob Ramanamiravaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Betsaka ny fandrosoana ankehitriny
Raha mihoatra tamin'ny fahiny
Ny mpanambola isany kosa
Manitsakitsaka ireo osa


Maro ny zavatra kasainy
Nefa na miara-monina amin'olona aza tsy hainy
Fa satria misetrasetra loatra
Nefa mbola hanenenana toy ny tsatsakoatra


Maro ireo maniry ny hanam-pifaliana
Tsy tanteraka izany fa maro ny mpanakiana
Fa ny mpitondra Eglizy
No andrandraina hamaha ny krizy



Ho antsika ankehitriny
Mihavàna toy ny an'ny vahiny
Fa raha isika indray no hifampiolana
Dia tsy hisy koa ny vahaolana



Bob Ramanamiravaka
--------
Lien:
1742 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Bob Ramanamiravaka
Inséré par : bobramanamiravaka
Date : 11/02/2016 21:42
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143