Fandrosoana (Bob Ramanamiravaka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Betsaka ny fandrosoana ankehitrinyRaha mihoatra tamin'ny fahiny
Ny mpanambola isany kosa
Manitsakitsaka ireo osa
Maro ny zavatra kasainy
Nefa na miara-monina amin'olona aza tsy hainy
Fa satria misetrasetra loatra
Nefa mbola hanenenana toy ny tsatsakoatra
Maro ireo maniry ny hanam-pifaliana
Tsy tanteraka izany fa maro ny mpanakiana
Fa ny mpitondra Eglizy
No andrandraina hamaha ny krizy
Ho antsika ankehitriny
Mihavàna toy ny an'ny vahiny
Fa raha isika indray no hifampiolana
Dia tsy hisy koa ny vahaolana
Bob Ramanamiravaka
--------
Rohy:
Mpakafy:
bobramanamiravaka
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Bob RamanamiravakaNampiditra : bobramanamiravaka
Daty : 11/02/2016 21:42