VONONA (BANGOTOKANA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vonona foana aho hanaja ny tiakoHamafa ny fery izay niaraha-manana
‘lay hany lalaiko,kasaiko sy iriko
Dia ny haneho ny hery sy halalim-pitiavana
Vononona foana hanaja anao
Na inon-kidona na inon-kihatra
Efa ho rava ny fefy manombok’izao
Ny fitiavako anao aza efa tsy ombi-tratra
Vonona foana hanaja ny toky
Izay miaina mangina ao anatin’ny foko
Na be mpanakiana sy mpamofitsofy
Dia lefero mangina aza arahi-toloko
Vonona foana aho hanaja ny voady
Teny ambony alitara sy hany mamatotra
Ny hany tokana maha-mpivady
Dia fitia tena izy,fitiavana matotra
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana