aiza ianao fa tsy tazako (cedarf)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nandalo ianao tsy tazako, nandrasako f’indrisy,
Ny andro foana manko no hariva saingy tsisy
Mba endrikao niserana na molotrao nitsiky
Tinazako f’angamba nanadino ireo tokiky?

Ny oran-takariva, ny rivo-naningoly
No namana nanatitra ahy izay mbola oriory;
Ny tanananao no nantenaiko hamihina ahy mankany,
Saingy tsy nandalo, fa mbola any ho any.

Tavela an-tanin’iza lahy ny tenanao, kanefa
Mba satriko fihinina,
Ny foko tianao, toa hasenton’ny ririnina…

Izay mila anao tsy tapaka amin’ny ora tsisy fetra,
Fa ny eo anilanao anie no tanjona mba mamiko,
Hanala an-tsafosafo ny onjan’ny tomaniko.
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo
1301 0
Commentaires
andry 1000 ( 21/04/2015 06:19)
ahatsiarovako an'le hiran'i rija ramanantoanina r'ise ity tononkalo ity le hira hoe!! nandrasako ho tonga maraina
gina foana teo aho
nandroso isakafo ny atoandro, nangina ilay seza
niandry handondona aho ny hariva,
nandinimbaravavarana aho, tsy tonga ianao2, nipitrapitra teo aho
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153