tanàna haolo (cedarf)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Haolo manko ilay tanànako,very tompo ka mangina;Voronkely tsisy tsiny,very reny fitosiana,
Very saina sy tomany aho,velo_tsento nefa indrisy,
Tsy haiko asolo sandry manko ny herintsaiko zary tsisy.
Haolo manko ilay tanànako,tsisy anao mandalo intsony,
Rava sahady ny hatsaran ny fahinintsika irony,
Haolo manko ny tontoloko fa ny tsikinao nandao an azy,
Dia rava ho azy ny hafaliako tsisy anao mamazivazy.
Haolo manko ka mangina ilay tanàna kelintsika
Ranomaso sy tomany sisa ao,no mangatsiaka
Nilaoza_naman_tena tiana aho ka malahelo foana,
Ny fiverenanao no mba masoandro lohataona.
--------
Lien:
Catégorie :
embona