tia anao (cedarf)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa ratra mikorina, tsiaro mitamberina,Sa ny onjam-pahoriana no tonga hanelingelina?
Asa! Tsy haiko no tsy reko ny hafaliako
Fa ny masaka ao an-tsaiko dia ny mombanao ry tiako.
Mahatsiaro anao aho ka fisentoana ny alina,
Imbetika aho tomany, dia lasa saina lalina;
Mbola ato anatiko ny mamintsika manko
Odiako fanina fa saingy mbola re manakoako.
Asa ianao raha manina na seriny ka fanina,
F’anatin’ny andro lasa ny saiko ka midongy te hijanona;
Manko tiako hiverina ny lasa ankaikinao
Dia ho eo anilanao, ka dia ho sambatra aho.
Anefa! Anio no nandrandraiko mba hihaonako aminao,
Hilazako manontolo izay ao anatiko ao;
Fa ela niandrasana aho, naharitra nijoro,
Ka ho ela ny fitiavako anao fa tsy mba hikoro.
Fa lalina ny teniko, tsy an-tendromolotra iny,
Mba tiako hofantatrao izay nohazomiko fahiny
Dia hilaza ho namanao, hifampizara ny mangidy,
Ka hilaza ho tia anao ry ‘lay toka-nofinidy.
--------
Lien:
Catégorie :
Eritreritra mandalo
Commentaires
andry 1000
(
21/04/2015 06:00)
miainga mihintsy ny inspiraka zany e