tokatrano sambatra (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ry vadiko any foana no misy ny fisainako
iny isika telo miaradalana no tanjoko
eo antratrako ny zanako, ianareo no fiainako
anilanao ry vadiko, misy mba mijery ny bika sy ny akanjoko.

tsy nofy no tsy ho ela, fa andro no isaina
hitoetra tsy ho foana lay andro nirariako
hiriaria isika,hitaiza anao aho sombin'aina
ho tokatrano sambatra anilan'olontiako.

tsy ny adin-tsaina hoentiko tsy akory sanatria
no hoentiko hisoparana ny tsiky mba hiposaka
fa satriko aza hirotsaka hameno ny fitia
ny hasambaratsika izay be mitosatosaka.

sanatria malalako ny hadalana vitako
no sakana hijoroan'ny fitiavako aminao
satriko izy hitombo handrombona ho hitako
fa tokatrano sambatra izaho sy ianao.

aza mieritreritra fa manadino anao aho
aza dia manahy ny momba ahy akory
fa eny foana ny fitiavako nataoko hitsinjo anao
fa aza ataonao tsy hita indrindra ianao raha ory.

tiako loatra ianao kanefa indraindray
tsapako mijaly no ny amiko ihany
ifonako fa mbola tiako ianao mandrakizay
lay voady teo ambony alitara tamizany.

tiako loatra ianao sy ny zanako malalako
tsy atakaloko olonkafa fa aza ahiahiana
ho vady andefimandriko ho tiako fa tsy ho alako
ho tokatrano sambatra sy feno fitahiana.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
855 2
Mpakafy: havotraniaina - cedarf
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 23/02/2020 03:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144