HISANDRATRA (DADAFARAtolotra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manga irony lanitra, fa ny andro lohataona Voatety ny lohasaha, ka hiakatra ny havoana
Eny no hitazana ireo lemaka nizorana
Eny koa no maka, izay ho menaka hiosorana
Hanala ny havizanana !
Nivadika samoina indray,fa Nihofo ny soherina
Nihofo ho manan'elatra ka tsy afaka hiverina
Tsy vovoka intsony hoy izy no sakafon-tsika
Fa hinankinam-pelana amin'ny benjy sy randrika
Ka mamy no hatelina !
Dia mijoro am-pitoniana eo ambon'ny vatolampy
Manaisotra ny mihoatra sy mamerina ny tsy ampy
Ary ireo 'zay hita tena lafatra indrindra
Gejaina sy tahanana tsy avela ho tafafindra
Ka faty no hisarahana !''
--------
Lien:
Fans:
DADAFARAtolotra
