FITIA (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Masoandro mitatao vovona
Mangatsakatsaka fihoronana
Mbola tafin'ny anjely
Ka tsy lotoina velively
Izay olon-tiako izay !

Loharano tsy ho ritra
Hazavana mibalika
Tady hendry hifatorana
Madio lalana fizorana
Izay olon-tiako izay !

Rano mbola tsy mikobana
Toeram-bola tsy lalovana
Havoana tsy azon'iza hitsahana
Tady tsy afaka ho varahana
Izay olontiako izay !

Tany mbola rakotr'ala
Fo mahenika ny vala
Tsy azon'iza n'iza hidirana
Volamena ka mangirana
Izay olontiako izay !

Andeha gejaina sy fatorana
Andeha hasampy sy hisalorana
Atao safidy famaranana
Hofitovozam-pihadanana
Izay olontiako izay !
--------
Rohy:
5 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 04/06/2026 18:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0305