VAO HANOMBOKA (DADAFARAtolotra)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao mba saika hoe hamelana dia nanintsana sahady,Vao hanomboka hitombana dia, efa tapaka ny angady.
Ora angamba no nisaina, minitra vitsy tsy hay fatarina,
Tsy tatoazy akory kay fa, soratra amin'ny vaingan'arina,
Ka vetivety dia nanjavona!
Mby vao haka fanovozana, ritra anefa ilay farihy,
Vao hanomboka handrary dia, efa rovitra ny tsihy.
Ireo landy no tenonina, saika havadika fitafy,
Lasa modaka avokoa, tsy mba nisy iray 'zay mafy,
Ka zary henatra no havelany!
Naka ambioka tao an-tsopitra, fa tonga ny andro famafazana,
Nilendodendoka faniry, ka gaga mihitsy ireo mpitazana.
Norarafan'ny fanala mangiran-dratsy kely foana,
Nihitsan-dravina avokoa, toy ny paiso lohataona,
Ka alahelo indray no teraka!
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotraNampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 13/08/2026 08:01
