IRAY DAHOLO ISIKA (DADAFARAtolotra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy efitrano tokana izay kasaina ho vahanaMbola mihidy varavarana,voafefim-panajana
Kirihitrala tsy hay kapaina,lobolobo tsy voajery
Toerana mitoka-monina, hanaovana fangala-pery
Efa nisy ireo vahiny, nangazangazana hiantsampy
Fa ilay hidimbaravarana, mafy noho ny vatolampy
Ny fandra-by sy dinamita, naneho ny heriny daholo
Nikatso loatra ilay vavahady ka, nody tamin'ny tanam-polo
Nakisakisaky ny volana, nahodikodin'ny fotoana
Terÿ hamoron-tanimbary, no nahatsinjo ilay havoana
Nivikavika tsy nisala, nanao izay fomba azo hiakarana
Hioty raozy vao mitsimoka, hanokatra ny varavarana
Noho ny tonga teny indray, nijery havanana sy avia
Binitsinitsika eo an-tsofiny, maneho karazana fitia
Angolangolam-pitenenana, fitiavana hendry makadiry
Izay mivimbim-pahasambarana, anaty atsiaka-hirifiry
Ka novahany ilay vavahady !
--------
Lien:
