HISANDRATRA (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manga irony lanitra, fa ny andro lohataona
Voatety ny lohasaha, ka hiakatra ny havoana
Eny no hitazana ireo lemaka nizorana
Eny koa no maka, izay ho menaka hiosorana
Hanala ny havizanana !

Nivadika samoina indray,fa Nihofo ny soherina
Nihofo ho manan'elatra ka tsy afaka hiverina
Tsy vovoka intsony hoy izy no sakafon-tsika
Fa hinankinam-pelana amin'ny benjy sy randrika
Ka mamy hatelina !

Dia mijoro am-pitoniana eo ambon'ny vatolampy
Manaisotra ny mihoatra sy mamerina ny tsy ampy
Ary ireo 'zay hita tena lafatra indrindra
Gejaina sy tahanana tsy avela ho tafafindra
Ka faty no hisarahana !''
--------
Rohy:
8 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 09/06/2026 09:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0188