Ho avy JESOSY (Dah Nex)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho avy JESOSYHo avy JESOSY tsy ho ela intsony
Hiseho amin'ny rahon'ny Lanitra ambony,
Ho avy JESOSY ka dia miomana
Handray antsika ho any Kanana.
Ny tany rehetra ho feno horohoro,
Ho potika ho levona sy torotoro.
Ho avy JESOSY tena marina izany
Handray ny vahoaka rehetra eto an-tany.
Hatolotra antsika ny tany vaovao
Ilay feno hatsarana sy be kalitao.
Ho avy JESOSY arahin-trômpetra
Dia hiaraka hody any isika rehetra
Tondra-dronono izay tany izay
nomanina ho anao, nomanina ho ahy.
Ho avy JESOSY sao tampoka Lahy,
omano ny saina,ny fo sy fanahy.
Ho avy JESOSY efa segondra sisa
Efa vonona ao ilay PARASISA
Koa miomana, miambena ry mpino.
Kalvary; isan'andro banjino.
Izao fiainana izao tokoa ka mandalo
Ka sao hafatra farany ity tononkalo,
tapao ny hevitrao, anio dieny anio
Ny MANDRAZAY, io no fidio.
08-Novambra-2025
03ora:18min (hariva)
Mandrangobato-Antananarivo
#Dah_Nex
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavan'Andriamanitra
Fans:
DahNex
