Hoy Ny Tompo (Dah Nex)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOY NY TOMPO...''

"Tiako loatra tokoa ianao anaka
fa mahareta amin'ny sedra mandalo,
Reko dia reko ny vavaka, ka
tsy haharesy anao ny fahavalo.

Mahereza amin'ny asa atao,
fikelezana aina tsy foana,
reko dia ho'Aho ny vavakao e!!
Fa ampitomboy ny finoana.

Hitako be ianao miady
amin'ny fakam-panahy sy ny akaso,
f'eo ny anjely miaro amin'ny sandry
isak'indray mipi-maso.

Aza adino 'lay voady natao
na betsaka ny hanabanty,
f'IZAHO JEHOVAH tokoa tsy handao
f'hiaro anao amin'ny ratsy.

Ataovy an-tsaina ilay fikasana;
Asandrato ihany koa ny faneva,
fa tsy ho ela dia hody an-Kanàna
hihaona amin'Adama sy Eva.

Valim_bavaka atolotro anao
dia mahasoa fa tsy hamarina an_kady,
tadidio 'zao TENIKO izao
hoe: ''IZAHO JEHOVAH NO MIADY'' ''

#Dah_Nex
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavan'Andriamanitra
30 1
Fans: karako
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Dah Nex
Inséré par : DahNex
Date : 30/03/2026 11:37
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012