Tsy irery (Dah Nex)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy irery
Raha misedra ady mafy
Ny fiainanao anio
Tsy maninona aoka hiafy
fa izao no tadididio

Hoe: Tsy irery akory ianao
Fa ny Tompo tsy mandao
Ka na dia mafy sy mideza
Aza kivy mahereza

Raha mandalo fahoriana
Ka misedra fijaliana
Tsy maninona aoka iafiana
Fa izao no tadidiana

Hoe: Tsy irery akory ianao
Fa ny Tompo tsy mandao
Ka na dia mafy sy mideza
Aza kivy mahereza

Ho anao koa
Na rangahy na ramatoa
Aza dia mivadi-po
Fa izao no ataovy an-doha

Hoe: Tsy irery akory ianao
Fa ny Tompo tsy mandao
Ka na dia mafy sy mideza
Aza kivy mahereza

Raha misy rahona mandalo
Ka takona ilay maraina
Vakio ity tononkalo
Ka izao no ataovy an-tsaina

Hoe: Tsy irery akory ianao
Fa ny Tompo tsy mandao
Ka na dia mafy sy mideza
Aza kivy mahereza
Dah Nex
--------
Lien:
Catégorie : Fampaherezana
24 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Dah Nex
Inséré par : DahNex
Date : 19/03/2026 12:00
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113