ARAHABAINA IANAREO (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARAHABAINA IANAREO!! (08 martsa)

Izaho aloha tsy vehivavy
ka tsy haiko hoe "inona avy ?"
raha ny sedran'izy ireo e !
Fa raha araka ny feo ?
Dia mizaka hirifiry...
sy adin-tsaina mankadiry
amin'ny fiainana izy ireny...
izay vao azo atao hoe Reny !
Dia...mijaly sy miafy
sy misedra ady mafy,
mitondra kibo sivy volana !
Nefa tsy ataony olana
izany rehetra izany
Fa ny sainy dia mahery !
Miankin-drindrina irery...
misotro izay tsy tiany
fa raha toa ilay faniriny hoe
hahazo sombin'aina
dia milamina ny sainy.
Fa ny ahy dia izao ihany:
izaho tsy tonga teto an-tany
raha tsy noho izy ireo
Koa ARAHABAINA IANAREO
Nahatratra ny andro androany!!!!!!!!

LAVENONA
--------
Lien:
Catégorie : Vehivavy
55 1
Fans: Felanarkt
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143