HO AN’I NENY (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AN’I NENY

Misaotra anao ry Neny a!
Nampianatra ahy namindra
Sy nampianatra ahy niteny
Ary koa indrindra indrindra
Tsy sasatra namefy
Sy nananatra ahy ombieny
Neny o!.......tsy ho lefy
Ireny vitanao ireny!

Ireo dian-drotsakazonao
Izay nokapohana ahy fahiny
Tsy voafafa hatramin’izao fa…
Niova endrika ankehitriny
Zary lasa toy ny vatsy
Sy fitaovam-piadiana
Handreseko ireo ratsy sy
Rehefa sendra fahoriana

Ny vavanao izay nila ho tataka
Noho ny fibedesana ahy
Ka ankehitriny aho diangataka
Neny o! mamela izay vita izay,
fa…toa tsaroako hatramin’izao
ianao miteny ahy mifokofoko
tsy very akory ireny izao fa..
ho raiketiko ato am-poko

Lavenona
01/05/2022
--------
Lien:
Catégorie : Neny - Fahatsiarovana - Fananarana
86 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146