LALAM-PIAINANA (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LALAM-PIAINANA

Lehilahy iray efa nahazoazo taona
Nanaitra ny eritreritro no sady nahavariana
Tafara-dalana amiko ,mangina toa misaona
embona mandalo ve sa...tojo fahoriana e ?
(mba tiako hanontaniana)

Hitako amin'ny endriny ny vesatry ny ankaso
lasalasam-borona toa tototry ny tsiaro
Fiara moa iraisana ka dia nanomba-maso
nandinika azy tsara aho..minitra maromaro
(nibanjina azy fatratra)

Fotoana koa nenjehina kanefa mandra-pialako...
tsikaritro eny an-tanany, indro voninkazom-paty !
misy soratra eo hoe :" HO AN'NY VADIKO MALALAKO
dia eo ambaniny eo, misy anarana sy daty !
(angamba anaram-badiny )

Nisento tokana aho..., no sady lasa saina
Toa nisy feo nibitsika avy ao anatiko ao !
Eeeh ! Mifankatiava hatrany raha mbola velon'aina !
fa maharary loatra ny tranga toy izao !
(Aza misy anie izany...)

Efa dify lavitra ny tranoko ilay fiara
"Misy miala tompoko !" hoy aho nahatadidy !
iny aho fa nitsangana dia nojereko tsara...
ilay raim-pianakaviana nizaka ny mangidy !
( rehefa nidina aho dia...notohizany ny diany)

LAVENONA
25/10/23
--------
Lien:
79 1
Fans: tafitasoa777
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156