MANINA NY ANY! (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANINA NY ANY!

Ireo masoko ireo……
Raha toa latsa-dranomaso
Dia tsy vokatry ny ankaso
Ka koa zava-mahaory
Tsia!..tsy izany akory
Fa mba ditsoky ny vovoky ny
Hanina ny taniko
Mihitsy tsy hafeniko
Tsy tiako hikoroso
Fa mba satriko handroso
Ilay tany fihaviako
Mantsy izay no tena tiako!

Ireo masoko ireo
Matoa manganohano
Dia mamon’ny hanohanon’
Ny lavi-tanindrazana
Gasikara tsy mba tazana
Tsy afaka tsidihina
Fa ny tiako ho marihina
Dia teny tsotra ihany:
Mahantra ianao androany
Nefa kosa mahandrasa
Fa hivadika ny rasa
ao aoriana kely ao
azo inoana fa ianao
Dia ho firenena miavaka
Ka hiala ao an-davaky ny
Kizom-pahantrana
Izay no faniriko!

LAVENONA

07/03/22
--------
Lien:
Catégorie : Embona
160 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145