MBOLA HISY VALINY (LAVENONA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA HISY VALINY!Etsy anie sakaiza e !
Mba mihevera tena
fa hitondra anao ho aiza moa
ny vola aman-karena?
sa vola aloha vao aina?
harena vao fanahy?
Nefa aleteho an-tsaina
fa ny ratsy ataon'ialahy
........mbola hojinjaina
Mbola ho tsaraina
raha ny tana-nihosin-dra
sy kiribiby ataon'ialahy!
Mihitsy ialahy hanenina
Mihitsy ialahy hikaika
Fa nantenain-kanarina
No indro toa vao maika
Namadika ny marina!
Mantsy ialahy tafarina
Fa ny tsy manan-tsiny ?
aza mba kasihina!
Mihitsy aza kitihina!
Mahaiza ialahy mipetraka
Aza mihetraketraka!
LAVENONA
--------
Lien:
Catégorie :
Fananarana - Fiaraha-monina
Fans:
Felanarkt