Mibebaha dieny izao (Daniel ROIMEMY RKT)

Lu par Daniel ROIMEMY RKT
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy mahavidy ny andro iainany
Ny olon-drehetra miaina eto an-tany
Fa tapitra sy vita hatreo ny fiainany
Rehefa mipaika ilay ora fialany
Tsy misy mahavidy ny lanitra koa
Izay mandao ny tany,ka zary fanahy
Nefa samy maniry ny ho any avokoa
Ny olon-drehetra amin'izay andro izay
Tsy misy mahalala ny andro hahafatesany
Raha toa mbola manana nofo sy rà
Satria ny harena dia tsy azo handrefesana
Hoe..,"hatraiza no fetra izay tokony ho ahy?"
Ka aza miandry ny andro ho ampitso!
Vao hiova famindra,sy hiala amin'ny ratsy
Izao no fotoana, fa tsy rahampitso
Mba tsy hanenina ianao atsy ho atsy
Mibebaha dieny izao ,fa aza variana
Variana miliba amin'ny izao fiainana izao
Mivavaha dieny izao ,ndrao tratra aoriana
Raha tonga ny ora dia" HO AIZA IANAO??"
Daniel ROIMEMY R.K.T
01/02/22
--------
Lien:
64 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Daniel ROIMEMY RKT
Inséré par : hery
Date : 09/04/2024 21:55
Lectures
Lu par Daniel ROIMEMY RKT
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143