Ny reny (Daniel ROIMEMY RKT)

Lu par Daniel ROIMEMY RKT
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny RENY no miavaka indrindra eto an-tany
Satria dia tsy mora ny zavatra entiny
Mantsy ny fiainany feno tomany
Ka rariny loatra raha misy ny fetiny
Raha ny an'ny Reny? Tsy mora ny adiny
Mihitsy mizaka ny tsy eran'ny aina
Tsy vitsy ny miaritra ny ditram-badiny
Ka nefa izy izy ireny tsy mba mitaraina
Ny Reny misahana zavatra maro
Raha ny fiainana ,be no efa hitany
Vehivavy izy ireny ka nefa fantaro,fa...
Tsisy mahavita ny zavatra vitany
Hafa ny Reny ka tsisy mahasolo
Mitaiza ny zanany sy ny hetsetretsetra
raha mbola ao an-trano dia izy daholo
No indro mikajy ny zava-drehetra
Ny Reny dia tsotra ary koa be fitiavana
Fitia tsisy mpanana raha ny azy ireny
Noho izany dia tsora ny tiako hahatongavana
" Arahabaina nahatratra ny fetin'ny RENY"
Daniel ROIMEMY R.K.T
29/05/2022
--------
Lien:
Catégorie : Reny
79 1
Fans: tafitasoa777
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Daniel ROIMEMY RKT
Inséré par : hery
Date : 09/04/2024 22:00
Lectures
Lu par Daniel ROIMEMY RKT
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015