POETA IANAO ! (LAVENONA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POETA IANAO !Amiko ianao no Poeta..
fa tsy olona ohatran'ireny !
Mpanoratra manan-talenta
mahafehy ny rima sy teny !
Mpiangaly amin'ny resaka kanto...
Mivetso amin'ny feo mahasondriana
manaitra sy milantolanto
mambabo sy mahavariana
Poeta ianao raondriana a!
fa aza manda eo intsony...!
Porofo tsy azo hidifiana
itony asa soratra itony !
Ka amiko ianao dia Poeta
LAVENONA
--------
Lien:
Catégorie :
POETA - Aingam-panahy
Fans:
rina15