POETA IANAO ! (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POETA IANAO !

Amiko ianao no Poeta..
fa tsy olona ohatran'ireny !
Mpanoratra manan-talenta
mahafehy ny rima sy teny !

Mpiangaly amin'ny resaka kanto...
Mivetso amin'ny feo mahasondriana
manaitra sy milantolanto
mambabo sy mahavariana

Poeta ianao raondriana a!
fa aza manda eo intsony...!
Porofo tsy azo hidifiana
itony asa soratra itony !

Ka amiko ianao dia Poeta

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : POETA - Aingam-panahy
422 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0203