TANDREMO RAZANDRY (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANDREMO RAZANDRY !

Ny eto anie razandry ka...vola no miteny e!
fombafomba ivelany ireny rehetra ireny
Fa raha ny tena tia ve?dia andraso eo Paoly !
Ny toetra sy fitiavany dia fitaka daholo

Ny tena ao am-pony ? sarotra fantarina
Takon'ny angolany izay mody namboarina
dia iny ianao fa roboka tsy nahalala maty !
Ento mora ihany fa ndrao ry lahy tsy ho tanty a!

Ny azy ny fitiavany mifindra toy ny ketsa
Tsy toy ny an'ny siny tsy mahalala hafa tsy rano
Iarahany daholo ny lehilahy rehetra rehetra
Ka aoka itsy razandry a!
Ndrao ialahy hahita angano !

LAVENONA
--------
Lien:
Catégorie : Zandry - Fananarana
27 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144