TSINGERINTAONAKO (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSINGERINTAONAKO

Isaorako ny Ray fa…
Nampitomboiny indray
Ny taonako eto an-tany
Mitsingerina izy androny
Ka faly ery ny foko
Fa…
Efa samy mba nandoko
Ny lanitry ny lasako
Ireo alahelo,fijaliana
Ny sento sy ny fahoriana
Ny hafaliana izay nitranga
Ka mbetika izy manga
…..,mbetika izy mainty
Nefa ireny dia tsy maintsy


Nolalovako sy niainako
Mba hanefy ny fisainako
Ho tonga olom-banona
Ho sahy sy tena vonona
Hiatrika ny ho avy,
Dia…..isaorako ny Avo
Satria,
Tsy tamin’ny herin-tsina
No mahatonga ahy ho velon’aina
Fa noho ny fandaharany
Ka….hasandratro ny Anarany!!

LAVENONA
21/02/22
--------
Lien:
Catégorie : Tsingerintaona
71 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149