ankafizoko foana (dano)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tao rehako marary mandoro ny amiko
Manindrom-pitiavana babo ny any,
Ity elanelana tao lavitra akaniko
Fa ankafiziko foana na eo ary izany.

Ny endriny tsy hita,ny feo tao tsy reha;
Na maraina na hariva dia embona foana
Ataoko fiononana ilay sarin'isé!!!!!!
Jereko matetika andaniko fotoana

Ny sarisary ao an-tsaina mitanisa ny lasa
Na ratsy na tsara tatarainy daholo;
Tadidy lalan-dava ireo izay kinasa
Fa ilay fitiavana efa najoro.

Misy tokoa raha ny fankam-panahy
Maro mandalo mampisain-dratsy,
Nefa izao tsarovy aza manahy:
NY foko ry tiana efa mahay miafy
dano 11-06-2012
--------
Lien:
Catégorie : Hanina - Fahatsiarovana - embona - Fitiavana
1415 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137