Ho tonga ny andro ka hifarana (dano)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatanorako izay mandalo
Indray andro any aho ahatsiaro
Homanina ilay atsaranao
Hiaina rivo-baovao..

Hatanorana izay tsy ferana
Any andro ianao hiserana
Handao azy tsy ipody tsony
Ho goama anao izato fony..

Hatanorako amamiana
Ho avy ny andro ka hangina
Hilaozanao irery eto
Ka ahatsiaro hisentosento..

Hatanorana hatanjahana
Ho tonga ny ora ka hifarana
Ireo kilalao atramin'izay
Satria tsy ho mandrakizay.
dano 05-02-2013
--------
Lien:
Catégorie : fiainana - Aingam-panahy
1232 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142