Ilay vahiniko iny (dano)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injay fa tonga indray
Ilay mpamangy ahy
Mpitsidika matetika
Anaty heritreritra

Mibitsika mangina
Toy ny olon-tiana
Milaza sy mamboraka
Ka maneho an-tsoratra

Izay mba fifaliana
na koa hoe fahorina
Izay fihetse am-po
Sy ny zavatra ao an-doha

Maneho izay nafenina
Tsy haiko notenenina
Na anio na ny fahiny
Ilay vahiniko iny

19-12-2014
Dano
--------
Lien:
954 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146