nafoiko...ny fitiavako anao (dano)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nafoiko tahaka ny maty
Ny fitiavako anao,
Nafoiko tsy nasiko vali-faty
Fa hitadiavako vaovao.

Ampy ho ahy angamba izay
Ilay fijaliana noho ianao,
Aleo aho hitraka indray
Ka hitadiavako vaovao.

Raha mbola misy koa ny hiteny
Handresy lahatra indray,
Efa betsaka ny fery
Ka aleho itsahatra amin'izay.

Mafy tena mafy ka namahy
Ny niharetako anao,
Ka aleho aho hamafy ndray
Vonin-draosy vaovao.

dano 18-03-2011
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Fitiavana
1321 1
Fans: dano
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138