ry ditra (dano)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola ho ela ve ny lalana haleha?
Mbola lavitra sy tena be dia be?
Ry ditra izay iainana
Rendrarendra sa fiainana?
Hoy izy:izy roa iainana...

Impiry kely no tratra toy izao?
Impiry koa no indro lavonao?
Ry ditra izay mandalo
Namana?fahavalo?
Hoy izy:efa maromaro...

Hoviana sy hoviana no nihaonantsika?
hoviana marina e?!fa tao tsy mety vita
Ry ditra izay finidy
An-tery sa adidy?
Hoy izy:Ianao no misafidy...

Taiza ho aiza no niarahana?
Aiza ho aiza no hiafarana?
Ry ditra izay ajaiko
Mitalaho sa mibaiko?
Hoy izy:mbola tena tsy haiko...

dano 02-10_2012
--------
Lien:
1583 1
Fans: dano
Commentaires
Rockftiavana ( 15/11/2012 05:20)
misaotra anao fa tsara le izy, m'lay
dano ( 20/11/2012 04:50)
enao no isaorako namaky
dano ( 20/11/2012 04:51)
enao no isaorako namaky
nosimamy ( 20/11/2012 18:45)
Bravooo! toizo fa tsara be ee!!
dano ( 30/11/2012 04:51)
mankasitraka
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144