Vatobe ny fiainana (dano)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vatobe ny fiainana
Tendrombohitra avo,
Ka aza hitarainana
Fa vakio mba ho lavo

Mandoro ka mahamay
Lelan'afo be tsy izy!!!
Izany re ralahy..
Ka aza mora kivy

Rivotra mahery vaika
Tadio be mifofofofo,
Ka aza dia sadaika
Fa miarena mba milofo.

Orabe mivatravatra,
Tafiotra be miraradraraka.
Ka aza mety ho mahantra
Fa mikiriza ka hitraka.
dano 10-07-2008
--------
Lien:
Catégorie : Fampaherezana - fiainana
1891 0
Commentaires
nosimamy ( 15/04/2012 13:04)
tena marina zany e! sady fandalovana ko ne ny eto an-tany, ka tsy maintsy mitraka hatrany hatrany e! merci.
dano ( 20/11/2012 04:52)
misaotr anao nadrai hafatra
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147