I GASY KARA... (Djio Z'art)

Lu par bemazava.florentin
Lu par bemazava.florentin
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I GASY KARA...
I Gasy kara...
Malaza mihavagna sy mifankatia
Tia fiaraha-monigna sy miara-dia
Kanefa kara...
Mifamingana andalagna, mamely ankôlaka
Tsy mbô mahitsy fa Tia miôlankôlagna
Mihatsara ivela-gony...
Tsy vahoaka madinika, tsy olo ambony
Vao mitady hizaka anô dia "sambory"
Zagny raha mahazo...
Voatrerogna lava, te ihinagna gagazo???
Magneky tsy fidiny...
Tsy misy te ihinagna ny aleoko maty ho an'ny tanin-janaka.
Amaraigna koa mahay ny amaraigna fa niany efa ramaka...
Raha azoko dia tsy azoko ny tegna dikan'ny teny hoe tia tanin-drazagna
Satria izay mitady hivolagna ny marigna dia voahidy vazagna.
Kanefa i Gasy kara...
Tsy haiko aby raha kara ananjy...
--------
Lien:
72 0
Commentaires
hery ( 19/09/2024 11:45)
Mba ataovy publique ilay fichier drive fa manjary tsy azo henoina ilay antsa.
Misaotra
bemazava.florentin ( 20/09/2024 05:10)
Azafady fa tsy haiko mitsy manao an'ilay izy. Nefa toa tsy mety hesorina intsony ilay antsa
hery ( 23/09/2024 20:35)
Mila partager-nao ho hitan'ny rehetra ilay lien vao mety.
Raha tsy izany dia azonao alefa mail aty amiko dia izaho no mampiditra azy hery@serasera.org
TononkaloNM ( 24/09/2024 12:47)
Misaotra manampy azy. Rehefa tsy hita izay izy Io de tsy hita fa mandeha miadana eny.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Djio Z'art
Inséré par : bemazava.florentin
Date : 19/09/2024 07:57
Lectures
Lu par bemazava.florentin
Lu par bemazava.florentin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143