Aloka Niserana (DON Excellence)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aloka niserana

Fotoana niavaka sy sarobidy iny fotoana iny
Maro ny teo f'izaho irery no nahita ny fisiny
Tsy izaho akory no tena lafa indrindra
Fa manana kosa fitiavana tsy mety afindra

Tsy navelako handalo nefa ny fahitako azy
Fa nanatona aho na tsy hay aza ny ho avy
Nanatona nefa tsy nahaloa-bava akory
Rehefa natory iny alina iny zara raha natory

Nandefa fisainana na mbola ho hita na tsia
Isanandro miodikodina, te hilaza fa tia
Mbola hifanena ihany ve izahay sa ahona
Hiandry aho nefa sao mbola misy aman-taona

Tadidiko mantsy raha iny izy naka toerana
Nibitsika manginy fa aloka niserana
Fitiavana nisy tao anaty nofy ny ahy ireny
Ka raha sainina mety tena hampime irery
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Embona - Fitiavana
86 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0829