Safidy (DON Excellence)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matoky...

Nosarahan'ny elanelan-tany tokoa isika
Fa na eo izany ny fitiavana tsy navela hangatsika
Natao daholo izay hampifanakaiky ny fo
Mba tsy ho rava ny fotoana ny tantarantsika roa

Mety hisy ny hasarota-piaroko aminao
Nefa aza raisina oe zah tsy matoky anao
Zah matoky anao fa sarotra amiko ny hilamin-tsaina
Satria tiko ho ahy irery ianao sombiniaina

Aza manahy fa zah aty hendry tsara
Mianatra mafy mitsinjo ny hoavintsika any afara
Satria ianao ilay efa voafidy
Hiara-dalana amiko na ho mamy na mangidy

Ka matokisa re ry Fitiavana malalako?
Efa ianao no voafidy ny lahatra hitantana ny tanako?
Ka haharitra ilay fitiavantsika mamy toy ny fary
Na ho mora na ho sarotra isika tsy hifanary?
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Embona - Fitiavana
96 1
Fans: Excellence08
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152