Tsy ho ahy (DON Excellence)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany tokoa mantsy ilay fotoana
Ny folakandron'izany isika mbola nihaona
Nifanojo nefa dia toy ny tsy nifankahalala
Nefa aminao ny foko tsy mahay mankahala

Tonga tokoa iny alina iny
Avy dia holazaiko hoy ianao f'aza tsiny
Nanantena aho fa tsy ho lavinao
Ny fitiavako nitoetra teo anoloanao

Rehefa tia tokoa toy ny adala a
Na dia efa fantatra zao ary fa mankahala
Miaritra ny mafy satria tsy mahita ankoatra anao
Fa manantena hatrany ny sombim-pitiavanao
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
361 0
Commentaires
Yagiz ( 09/06/2023 12:48)
Tsapako
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : DON Excellence
Inséré par : Yagiz
Date : 09/06/2023 12:43
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142