Alika manaikitra (DotMG)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho azoko ialahy amin'ity fifidianana ...
R'ingahy mora manana
Ny homeko an'ialahy izay miseho azy ho favo,
Dia karatra mavo.

Ny rafin'ialahy tena maharikoriko
No 'ndeha hofidiko
Ka ho hitan'ialahy amin'izay ny blème :
Tsisy mpi-j'aime.

Horeseko lahatra koa ry Madama
Sy ireo bandy akama,
Hirohotra mihitsy hanefa ny adidy,
Handeha mba hifidy.

Ny ho azon'ialahy amin'ny ampaham-bato
Dia dimy isan-jato;
F'ireo fikafikan'ialahy mamarara
Efa koboko tsara.

Ataovy daholo ny fandemen-tsaina
Natao hampalaina,
Vao mainka aho hifidy ka handray andraikitra :
Alika manaikitra.

DotMG
13 mey 2015
--------
Rohy:
1974 1
Hevitra mandeha
Anarim ( 10/02/2020 15:44)
Enga anie tsy romotra...
DotMG ( 10/02/2020 15:48)
:)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104