Fosa Olana (DotMG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray andro hono dia nisy efa-bavy
niresaka momba ny fanambadiany
Dia samy nifosa an’ireo vadiny avy
nifampitantara ny fomban’ny tiany.

Dia resaka izao, tsy nisy arofanina
na tsiambaratelo fa indro: nisosa
Ny mihaino azy indray no toa mahavalalanina
Fa lalina ireto bajô raha hifosa

Ny ahy hoy ny iray, miaramila tantsambo
Tsy azo baikona izy f’azy ny didy
Tsy laitra dohika, mpidingina rambo
Ny vadiny kosa tsy manan-tsafidy.

Rehefa izy no manina ka mila vady
Tsy maintsy eo no eo no anefana ny adidy
Fa raha mba ianao kosa indray no mitady
Tsy manana zo ny amin’izay hangidihidy.

Raha azony ianao tena mahita faisana
Sokafany avao izay rehetra mihidy
Mpitaingin-tsoavaly va re no iraisana
no mihazona mafy sy miridiridy?

Mpitsabo mpandidy ny ahy, hoy ilay faharoa
Nahavita fianarana be tany andafy
Maro no tsara tia azy tokoa
Kanefa izy kosa tsy mba mampirafy.

Be taona izy nefa dia mbola mirija
Matanjaka fa tsy be setra higafy
Ny fiaviny avao tsy mba ora-mikija
Fa toa erikerika mora fifafy.

Fahaiza-manaony tsy misy madilana
Fa tsoda no tsininy kely mampihafy
Ny molony mantsy somary mivilana
Ka saokako indray no voaoroka mafy.

Ny anay mise au vert efa saika ho mazàna
Hoy ilay fahatelo somary nivalo,
Ny afom-pitiavana tsy mba tamàna
hitoetra ao an-trano f’indrisy mandalo.

Mpitandrina hono izy, mazoto mivavaka
Ka Belzeboba no atao fahavalo
Variana amin’izay dia tsy mahita lavaka
Mandositra adidy, miery, mimalo.

Fanahy no tolomina mandavan-taona
Io no itetezana izao lafivalo
Ny nofoko kosa, indrisy misaona
Toa zary voankazo voapoizina kalo.

Ny anay aza retsy, hozy ity farany
Tonga dia lasa, eny, zara raha mihelina
Tsy maharitra ela tokoa ny tantarany
Tsy misy hotsakoina fa dia indray mitelina

Taloha izy anefa soavaly tanora
Lava sy mafy toa zaran-dapelina
Fa antitra kosa izao ka goragora
mikainkona kely toa garanadrelina.

Dia asa na izy no mamilafila
Na ilay adidy no manelingelina
Sa reraka loatra nikiky kapila
Ka tsy hahavita intsony fa efa domelina?
--------
Lien:
Catégorie : Hatsikana - vazivazy - Politika
1998 0
Commentaires
hery ( 25/11/2011 10:14)
Fosa olana ileny, pipy mitolona
pissoa ( 02/12/2011 11:48)
Mba taiza ary no nahenoan'i Dot an'ireo resak'izy efatra ireo ? Hmmm ! hi hi hi
ntk ( 06/03/2012 19:56)
tsy ratsy
romanzo ( 16/12/2013 07:04)
Humnn tsara be ity tena nisy fikarohana lalina mihintsy, ary Dot ngamba tena mpihaino resaka mintsy a!!
DotMG ( 16/12/2013 07:36)
Tsy dia hoe mpihaino resaka toy inona fa milaza miara-mahita ihany aza koa.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1166