Ompa tsy mahafaty (DotMG)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tampenanao ny vavako, tsy hiteny tsy hibetroka
Dia ny sofiko ankiroa, no hanjary hivoaka setroka
Dia ny fitombenako any, no hanapololotra hetotra
Ary ho hitanao tokoa, izany hoe mivoaka sempotra.

Raha takianao volabe aho, fa mamoaka ny ao am-poko
Raha fonjainao folo taona, noho ny teniko maloto ...
Dia tsy hanompa anao intsony aho, rehefa miasa an-terivozona
Saingy am-poko aho no hivavaka, hiantso tody sady hanozona.

Raha tsy avelanao hivoaka, ireo taraina sy alaheloko
Dia hokoboniko izy ireny, mba ho tsiambarateloko
Fa tsy maintsy hisy kosa, andro iray any aoriana any
tena hipoaka toy ny baomba, irony sarona vilany.

O ry Zoky mba tanteso, raha izay ompa sy izay tebaka
Ndrao raha marina izy ireny, mba hanampy anao hibebaka
Moa raha rediredy fotsiny, ompa anie tsy maharatra e!
Mainka ho zary nofo sy hozatra, hampibontsina ny tratra.

DotMG
31 jolay 2014
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana - vazivazy - Ady - Politika
1993 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105