Tana (DotMG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny anabaviko iny
Anaty Facebook dia sipa manja ery
Toa maha-te hitia.

Firentina vahiny
Fa ny azy ange ny look manaraka lamaody
Ka maro mpihaodihaody.

Kanefa anie tongava
Mankany am-piangonana mijery azy mivavaka
Fa tovovavy miavaka.

Fa ny azy zipo lava
No entiny hanakonana ny ranjo hakitrokely
Ka maotin-toa anjely.


DotMG
10 janoary 2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fivavahana - Fianakaviana - ahy
1432 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099