Tononkalo misy dikany (DotMG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tononkalo tena lafatra,
tsy izay tsara rima indrindra
fa ilay mampita hafatra
amin-gadona mirindra.

Io anie tsy raiki-pohy
rediredin'olon-daozy,
fa misy hevitra mitohy
anaty rima na praozy.

Rehefa ilay aingam-panahy
no terena, tsy mba tsara;
tsy azo atosika io zalahy
amin-dravina voarara.

Raha ny zava-mahadomelina
no anerena ny inspiraka
dia hoatr'i Zafy sy Rajoelina
na Ravalo sy Ratsiraka

Mody kanto aloha ny fiaingany
toa hamelombelon'aina
Hay avy eo miseho ny laingany
Rehefa lefy izay ilay maina.

Rehefa tapitra ny toakany :
io fa lany koa ny fikany;
ka tsy maintsy izao no havoakany :
Tononkalo tsisy dikany.

DotMG (20/06/2010, setrin'ny Tononkalo tsisy dikany sy ny tononkalo mifoka).
--------
Rohy:
2304 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097